Mandehana ianao lavidavitra kokoa

Nampiditra: admin
Sokajy: Fanirahana, Antson'Andriamanitra,


  • Fihirana Hasina p. "114
  • Fihirana Vaovao p. "459
  • Vavaka sy Hira p. "407

(Iz. 43, 1-4)

Mandehàna ianao lavidavitra kokoa
Fa miandry anao Aho;
Na mahatsapa aza ianao, fa efa tonga
Mandrosoa ihany lalindalina kokoa

1-      Izaho no Tompo Andriamanitra, ‘lay Mpamonjy anao
Sarobidy ange ianao, eo imasoko
Ka aza matahotra fa tiako ianao

2-      Matokisa ianao e, f’izaho ihany ity
Izaho no Mpanjakanao e, ‘lay Mpandresy
Ka aza matahotra fa tiako ianao

3-      Tamin’ny anaranao e, no niantsoako anao
Manaraha ahy ianao e, hitahy anao Aho
Ka aza matahotra fa tiako ianao

4-      Na mandalo aza ianao e, heniheny be
Homba anao hatrany aho e, mba tsy ho rendrika
Ka aza matahotra fa tiako ianao

5-      Na mandalo aza ianao e, afo mivaivay
Tsy handroro anao akory, ny lelafo be
Ka aza matahotra fa tiako ianao


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0065 s.] - Hanohana anay