Isaorako lalandava ianao

1- Isaorako lalandava Ianao, ry Tompo   
Nitantana izany diako hatramin'izao   
Na sarotra sy mideza izany lalako   
Naharitra hatramin'izao fa niaraka taminao

Fiv: Ka fo falifaly e sy ravoravo koa
No entiko misaotra Anao, ry Ray   
Herezo sy hatanjao hatrany hatrany
'Ty zanakao manjohy ny antsonao

2- Isaorako lalandava Ianao, ry Tompo     
Mitantana izany diako hatramin'izao 
Na maizina na mazava izany lalako  
Naharitra hatramin'izao aho, fa niaraka taminao

3- Isaorako lalandava Ianao, ry Tompo     
Nitantana izany diako hatramin'izao 
Na potraka sy nianjera ho'aho 'ty zanakao    
Naharitra hatramin'izao aho, fa niaraka taminao

4- Isaorako lalandava Ianao, ry Tompo     
Mitantana izany diako hatramin'izao     
Na lavitra sy tsy tazana izany lalako     
Natoky aho hatramin'izao, fa niaraka taminao
Nampiditra aiinah
Sokajy Fisaorana
Fihirana Hasina p. 821
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0627