Eny isaorana ho'aho Andriamanitra Ray

Nampiditra: aiinah
Sokajy: Fisaorana,


  • Fihirana Vaovao p. "143
  • Ankalazao ny Tompo p. "206
  • Fihirana Hasina p. "193
  • Vavaka sy Hira p. "443
  • Fihirana Dera p. "235

       

1- Eny isaorana ho'aho, Andriamanitra Ray
     Andriamanitra Rain'Izy Jesoa Mpamonjy
     Fa mangoraka hatrany, mitsimbina antsika
     Mampitony ireo fo izay mijaly sy ory
     Amen, Aleloia. Eny isaorana Ianao!

2- Eny isaorana ho'aho, Andriamanitra Vonjy
    Manasitrana antsika rehetra mijaly
    Mba ho afa-mamonjy, ny tra-pahoriana
    Dia ho toraka izay efa vitany ho antsika
    Amen, Aleloia. Eny isaorana Ianao!

3- Dia ho torak'izay efa vitany ho antsika 
     Raha miara-mijaly amin-Janany isika
     Dia hanala alahelo, hamonjy ny ory
     Eny isaorana, ho'aho, Andriamanitra Ray
     Amen, Aleloia. Eny isaorana Ianao!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay