Nateraky ny Fiangonana isika

Nampiditra: Bariry
Sokajy: Salamo, Hiran-damesa,


  • Fihirana Vaovao p. "441
  • Fihirana Hasina p. "228
  • Vavaka sy Hira p. "316
  • Ankalazao ny Tompo p. "223
  • Fihirana Dera p. "291

Nateraky ny Fiangonana isika,
fa ao aminy ny loharanon'aina

sitrak'Andriamanitra hahazanaka antsika. (Tito 3, 5)

(Sal. 86)

1- Ry Siôna, ry siôna !
eny an-tendrombohitra masina
no naorin'ny Tompo ianao,
Ilay Tompo tsy mahafoy anao
ô!

2- Ny fonenan'i Jakôba,
maromaro ihany izy ireny,
f'ianao no andrian'ny fony 
ô,
tiany mihoatra ny sisa rehetra.

3- Ry Tanànan'Izy Tompo !
Andriamanitrao mitantara
zava-maro malaza tokoa,
'zao no tena anandratany anao !   

4- "I Rahaba s'i Babela :
mahafantatra ahy izy ireo,
Ary i Tira s'i Filistia
ô,
ary i Etiôpia sy ny hafa,

5- 'Zao no ambara momba ireo :
izy hono, teraka tao !"
I Siôna tsy tahaka izany :
"Ny rehetra no teraka tao !"

6- Ny Avo indrindra, ry Siôna ô,
manamafy orina anao !
Hosoratany anatin'ny boky
ny vahoaka fa "teraka tao".

7- Ny andriana eran-tany,
toy ny zanakao tsisy hafa !
Izy ireo samy faly milaza :
fa ianao loharano niaviany.

8- Ry Siôna Vaovao,
aoka isaorantsika ny Ray
nosoratany ny anaranay,
azo antoka mandrakizay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay