Zanahary tsy mba miangatra

Nampiditra: sonwin
Sokajy: Andriamanitra Ray,


1- Zanahary tsy mba miangatra
Amintsika olombelona
Tia antsika olo-jiaby e
Jereo ny masoandrony
Miposaka atsinanana
Ho an'ny olona rehetra   

Misaotra anao Zanahary ô
Mankalaza anao 'zahay e
Lehibe ny fitiavanao anay e
Miandrandra anao 'reto zanakao
Manantena anao,
tsy mba manana ahiahy ( in-2)   

2- Zanahary be fitiavana
Tsy mba manavakavaka
Olo-jiaby arô jereny e
Jereo ny ranon'orana
Mirotsaka amin'ny tany izy io
Ho an'ny olona rehetra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0078 s.] - Hanohana anay