Miverena ianao, ô ry mpanota ô

Miverena ianao, ô ry mpanota ô,
Izaho ny fiainanao, izaho no lalanao,
Izaho Tomponao no fahamarinanao ;
Miverena ianao, fa izaho no miantso anao.

1. Tonga aho hanome fiainam-bao anao (miverena...)
Tsy ho faty ianao raha izaho no iainanao ;
Sitraky ny Ray ny hahavoavonjy anao, (miverena...)
Ho hafaliam-be ny fiverenanao.

2. Tonga aho ho anao, hanoro lalana, (miverena...)
Tsy ho very ianao raha toa manaraka ahy ;
Sitraky ny Ray ny hahavoavonjy anao,
Ho hafaliam-be ny fiverenanao.

3. Tonga aho hiaro anao, hisolovava anao, (miverena...)
Raha tia ahy ianao, tsy homelohina ;
Sitraky ny Ray ny hahavoavonjy anao,
Ho hafaliam-be ny fiverenanao.

Nampiditra tywa68
Sokajy Fifonana - Karemy
Ankalazao ny Tompo p. 535
Fihirana Dera p. 247
Fihirana Hasina p. 68
Fihirana Vaovao p. 435
Vavaka sy Hira p. 513
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2349