Tampoka, injay nisy feo avy any an-danitra

Tampoka, injay nisy feo avy any an-danitra
Toy ny fisiokan'ny rivotra mifofofofo
Dia samy fenon'ny Fanahy Masina avokoa izy rehetra,
Sy niteny tamin'ny fiteny samihafa. (Asa. 2. 2 - 4)

1. Endrey ny hamaroan'ny asanao, ô ry Tompo ô,
Ary tamim-pahendrena no nanaovanao an'ireny,
Fa ny tany indro henika ny zava-boaharinao

2. N'ranomasina jereo fa lehibe sy midadasika,
Miriaria ao avokoa, marobe, tsy tambo isaina,
Ireo biby isan-karazany, vaventy sy madinika.

3. Mivezivezy ao ny sambo, ao koa i Leviatàna,
Ilay trozona nataonao, ho tsilalaonao
Miandry Anao izy rehetra, hamahana azy ara-potoana.

4. Ianao dia manome, izy kosa indray manangona,
Ary aha manoka-tanana hanolotra Ianao,
Dia manaram-pahavokisana amin-java-tsoa izy.

5. Raha anafenanao tava: mitebiteby izy,
Raha esorinao ny ainy: lasa mody mandry izy,
Ka miverina indray, zary lasa vovo-tany.

6. Raha alefanao koa ny Fanahy fofon'aina,
Dia àry indray ireo, ka ny zavatra rehetra
Sy ny endriky ny tany, dia havaozinao tontolo.

7. Tsy ho lefy rahoviana ny voninahitry ny Tompo,
Ary aoka Izy hifaly amin'ny asany rehetra.
Raha jereny re ny tany, mihorohoro sy mangovitra.

8. N'tendrombohitra kasihiny, midonaka mirehitra,
Te-hihira ho an'ny Tompo aho, raha mbola velona aina,
Te-hiantsa ny Andriamanitro, raha mbola eto an-tany.

9. Ho sitraky ny Tompo ny vetson-tononkaloko,
Fa izaho dia amin'ny Tompo no ataoko fifaliana;
Ireo mpanota kosa indray, no ho fongotra amin'ny tany.

10. Ary mba tsy hisy intsony anie ny olon-dratsy,
Koa misaora Azy Tompo, ry fanahy ao anatiko,
Ianao, ô ry Ray, no iandohana sy hiafarana!

11. Ianao, ry Jesoa, no lalana mankany amin'ny Ray,
Ianao, ry Fanahy, no Ilay mpamelombelona,
Mitari-dalana ny zanak'Andriamanitra rehetra.

Nampiditra Bariry
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01