Ataovy mikatsaka Anao lalandava ny lalam-piainako

Nampiditra: ari.malala
Sokajy: Antson'Andriamanitra,


  • Fihirana Hasina p. "17
  • Vavaka sy Hira p. "526
  • Ankalazao ny Tompo p. "532
  • Fihirana Hasina p. "531
  • Fihirana Dera p. "294

Ataovy mikatsaka Anao lalandava ny lalam-piainako
Isan'andro isan’ora eran’ny fahosako sy ny fahoriako
Ataovy mikatsaka ny endrikao aho hahita ny miafina
Na inon-kitranga na inon-kidona na iza hisakana

Ianao re ry Tompo ô, Ianao irery ihany
Ilay tokan-Tsitoha maharitra mandrakizay
Kaloiko ho Anao hira tokana an-tany
Ianao ilay tsy miova ary tsy mba mivadika

Ny masoko hibanjina ny endrikao zahako isan'andro
Mitara-pitiavana sy famelana miantefa ao anatiko
Ianao miantso ahy tsy sasa-miangavy fa tia ny talahoko
Ianao ilay tadiaviko sy iafarako Ianao eto anilako


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0085 s.] - Hanohana anay