Nifidy ahy ny Tompo hitondra famonjena
Ny vaovao mahafaly hambara eran-tany
Reko ny Fanahy mibitsika hoe:
'Reto misy olona atokàny mba ho ahy,
Tiako sy tendreko hamonjy ny ory:
Aoka izy ireo ho vonona handeha
Nanokana ahy ny Tompo ho mpiara-miasa aminy
Ho olona amborahany 'reo tsiambaratelony
Naniraka ahy ny Tompo, nanafatra ahy hoe:
Ataovy tonga mpianatro ny olona rehetra.