Ialao ny taninao

(Jen. 12, 1)

Fiv :
Ialao ny taninao, ialao ny sahanao
Ialao ny tanindrazanao
Ialao ny tranonao sy izao tontolo izao e
Ka avia manaraka Ahy ianao.

Ialao ny rainao, ialao ny reninao,
Ialao ny zoky, zandrinao
Ialao ny havanao sy ireo sakaizanao e
Ka avia manaraka Ahy ianao.
 
1 - Aiza moa Ianao, ry Tompo ô
'Nty aho fa miantso ahy Ianao.
 
2 - Mitenena Ianao, ry Tompo ô
Mihaino ny mpanomponao.
 
3 - Efa vonona aho, ry Tompo ô
Hitondra ireo hafatrao.
 
4 - Tsofy rano aho, ry Tompo ô
Hanilo izao tontolo izao.

Nampiditra pissoa
Fihirana Dera p. 100
Fihirana Hasina p. 113
Fihirana Vaovao p. 83
Vavaka sy Hira p. 388
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092