Moa ve tia ahy ianao
Ka ho vonona hamahana ireo zanak’ondriko ?
Eny, Tompo ô, fantatrao fa tiako Ianao
Ianao mahalala ny zavatra rehetra Tompo ô
Ka fantatrao tokoa fa tiako ianao
Na mafy dia mafy ary sarotra ny adidy iantsorohako
Ho toky maharitra ny fitiavako anao
Nirinao hatrany aho ary mamiko ianao
Moa ve tia ahy ianao
Ka hiambina ny ondriko amin-kerim-po tokoa ?
Eny, Tompo ô, fantatrao fa tiako Ianao
Moa ve tia ahy ianao
Ka hitondra ny reniondriko amin’ny lalam-pahendrena ?
Eny, Tompo ô fantatrao fa tiako Ianao