Intý aho Jesoa ô, hanara-dia Anao

1. Intý aho Jesoa ô, hanara-dia Anao
Ampio isan’andro mba ho lavorary
Manolo-tena aho ho Anao mandrakizay
Ho sanatriaviko ny hivadika.

Fiv. : Raiso aho Jesoa fa tiako anie Ianao
Sitra-poko ny hanara-dia Anao
Ny fiainako tontolo no voababonao
Manantena aho fa ho raisinao (in-2)

2. Efa fantatrao tokoa, ny fahosako izao
Herezo re ny diako mba ho tody soa
Manolo-tena aho ho Anao mandrakizay
Ho sanatriaviko ny hivadika.

3. Marobe ny vokatra, vitsy ny olona
Hanolo-tena aho ho an’ny sahanao
Ataoko avokoa, ho hefaiko an-jotom-po
Ny asanao Jesoa, matokia re.

4. Ry Fanahy Masina ô, midìna ato aminay
Herezo re ‘zahay hitory ny hafatry ny Ray
Hitory teny soa an-kasahiana
Fanahy Masina ô, midìna.

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 526
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1678