Izahay 'zay nantsoinao hampiely ny hafatrao... Tompo ô, mamindrà fo aminay

Nampiditra: pissoa
Sokajy: Fifonana,


  • Antsao ny Tompo p. "221
  • Fihirana Hasina p. "771
  • Karine Dera p. "531

1 - Izahay 'zay nantsoinao:
Hampiely ny hafatrao,
Nefa ninia nanampin-tsofina:
Tsy nihaino ny teninao.
Tsapanay, ô ry Tompo ô,
Fa diso lalana izahay,
Ka mahatonga anay izao
Hibebaka sy hiantsoantso hoe:
Tompo ô, mamindrà fo aminay!

2 - 'Lay fitiavana natolotra,
Tamin'ny ranao sy ainao,
Tsy nampihariharinay akory
Tamin'ireo namany.
Tsapanay, ô ry Tompo ô,
Fa helokay tokoa izany,
Ka mahatonga anay izao
Hibebaka sy hiantsoantso hoe:
Kristy ô, mamindrà fo aminay!

3 - Ianao irery, ô ry Tompo ô,
No mba manana fo miantra;
Ka mifona re izahay
Fa nitsipaka ny lalanao.
Tsapanay, ô ry Tompo ô,
Fa tsy mendrika izahay:
Eo anatrehan'ny namanay
Sy eo anatrehan'ny Ray malalanay.
Tompo ô, mamindrà fo aminay!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0072 s.] - Hanohana anay