Mifona aho Aba

Nampiditra: Bariry
Sokajy: Fifonana,


  • Fihirana Hasina p. "669
  • Fihirana Vaovao p. "228

1. Mifona aho, Aba, mifona aho rô,
Mifona aho fa tsy nañaja ny Añaranao ô!
Mifona aho, mifona aho rô,
Mifona aho fa tsy nañaja ny Anaranao ô!
 
2. Mifona aho, Zoky e, mifona aho rô,
Mifona aho fa tsy niteño ñe irakao ô!
Mifona aho, mifona aho rô,
Mifona aho fa tsy niteño ñe irakao ô!
 
3- Mibaboka tokôtry aminao rô Fañahy e
Mibaboka aho fa tsy niaiña e Fitiavanao ô!
Mifona aho, mifona aho rô,
Mibaboka aho fa tsy niaiña e Fitiavanao ô!
 
Ibabohako rô, e fahotako ô,
Mba omeo famelà aho fa tsy hañano etsaña!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0061 s.] - Hanohana anay