Mizora toy ny zanaky ny mazava

Mizora toy ny zanaky ny mazava,
fa ny asan'ny mazava
dia asa soa sy fahitsiana ary fahamarinana
(Ef. 5, 8-9)

Sal. 111

1. Eny, sambatra ny olona
Izay matahotra ny Tompo
mankatelina ny didiny.
2. Ny taranaka amam-parany
dia hahery eto an-tany;
ho hasoavina ny teraky ny marina.

3. Ny fananana sy harena
no miavosa ao an-tranony,
ary haharitra doria ny fahamarinany
4. Hazavana no miposaka
ao anaty haizim-pito
ho an'ny olona izay mahitsy fo.

5. Dia ireo mamindra fo 
sy miantra ary marina
ary izay tsara fanahy, mampisambotra
6. Dia ataony am-pahitsiana
ny fitantanana ny asany;
ary izy tsy ho solafaka mihitsy.

7. Ny olomarina ho tsarovana
amin'ny taona mifandimby
tsy hatahorany ireo tsaho milaza loza.
8. Tsy mihontsona ny fony
fa miankina amin'ny Tompo:
mahazo toky hatrany, tsy matahotra.

9. Ny hany hatahoranay,
ry Jesoa Mpamonjy ô:
sao mihataka Aminao re 'zahay
10. Ny hany hatahoranay,
ry Fanahy Masina ô:
sao mampalahelo Anao re izahay.

Nampiditra admin
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092