Fantatro ilay nametrahako ny fitokiako

Fantatro ilay nametrahako ny fitokiako :
I Kristy 'lay tsy mivadika mandrakizay. (2 Tim. 1, 12)

(Sal. 30a)
 
1- Aminao no ifefeko, ry Tompo
'zany 'zaho tsy ho menatra akory
mba vonjeo re fa marina Ianao
ka faingàna anondreho sofina aho.
 
2- Vatolampiko Ianao, fiereko !
ka vonjeo fa fiarovako ianao ;
harambato sy mandako hatrany
ho faniloko ny Anaranao.
 
3- N'velam-pandrika esory anoloako
fa Ianao re, ry Tompo, no hery
Aminao no apetrako ny aiko
ka vonjeo aho fa Marina Ianao.
 
4- Eny isaorako Ianao, ô ry Ray,
nampijoro ny Fiangonanao ;
Jesoa Tompo natao fehizoro,
Irafetako mandrakizay !

Nampiditra Bariry
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 273
Fihirana Dera p. 240
Fihirana Hasina p. 207
Fihirana Vaovao p. 273
Vavaka sy Hira p. 271
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097