Handeha aho hanomana toerana ho anareo (Sal 15)

Nampiditra: Bariry
Sokajy: Salamo,


  • Fihirana Vaovao p. "137
  • Vavaka sy Hira p. "255
  • Fihirana Hasina p. "477
  • Ankalazao ny Tompo p. "277
  • Fihirana Dera p. "293

Handeha aho hanomana toerana ho anareo,
ka izay misy ahy no hisy anareo.

(Salamo 15) 

1- Andriamanitra Tompo ô, ambeno
f'Ianao re no hany ifefeko,
hasambarako tokana an-tany,
 
2- Tsy mba sitrako intsony tokoa
ireo masina, Tompo eto an-tany,
manandevo 'zay matoky azy.
 
3- Ary koa 'reny sampy hamaroina
tsy hanaovako sorona intsony ;
ts'hotononiko anarana akory.
 
4- Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay,
toeran-tsoa no natokana ho ahy.
 
5- Ka isaorako, Tompo, Ianao
fa nanolotra saina, fanahy
sy nanoro ny foko hatrany.
 
6- Eo alohako foana ny Tompo ;
tsy hiala ankavanako Izy ;
ka hisaorako mandrakizay.
 
7- Tsy omby tratra tokoa ny hafaliana
'zay mameno ny foko tontolo
sy manenika 'zato fanahy.
 
8- Ka ny nofoko mandry amin-toky ;
fa tsy foinao ho levona ny aiko,
ny olon-tianao tsy foinao ho faty.
 
9- E ny lalan'ny fiainana izao
dia hotoroanao ahy hatrany,
ka nameno hafaliana ny foko.
 
10- Ho finaritra mandrakizay
'zay mitoetra eo ankavananao,
hasambarana tsy mety ritra.
 
11- Zanakao no hankany Aminao
mba hanomana lapa ho anay
hideranay ny Fitiavanao


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0079 s.] - Hanohana anay