Tsara raha ny mpirahalahy
(Sal. 132)
1 - Tsara raha ny mpirahalahy
No mahay mifankatia tokoa :
Manana firaisana am-panahy
Fa hosoavin'Andriamanitra.
Fiv :
Tahaka ny diloilo tsara
'Zay narotsaky ny lanitra
Ka araho izany, mahavara
Fa hosoavin'Andriamanitra.
2 - Tsara raha ny mpiray tanàna
No mahay mifandray tokoa :
Manana firaisana am-panahy
Fa hosoavin'Andriamanitra.
3 - Tsara raha ny olon-drehetra
No mahay mifanao soa :
Manana firaisana am-panahy
Fa hosoavin'Andriamanitra.
Nampiditra pissoa
Fihirana Dera p.
96
Fihirana Hasina p.
265
Fihirana Vaovao p.
236
Vavaka sy Hira p.
368

