Isika no tempolin’Andriamanitra

Nampiditra: ari.malala
Sokajy: Fisaorana,


  • Fihirana Dera p. "190
  • Vavaka sy Hira p. "413
  • Fihirana Hasina p. "332
  • Ankalazao ny Tompo p. "87
  • Fihirana Vaovao p. "328

Sas.: Isika no tempolin’Andriamanitra
Ary monina ao amintsika ny Fanahy,
Fanahin’Andriamanitra

1. Isaorana indrindra Ianao
Ry Tompo Andriamanitry ny razana
Fa mendrika dera sy laza
isaorana mandrakizay

2. Isaorana ny Anaranao
Fa masina be voninahitra
Ka mendrika dera sy laza
isaorana mandrakizay

3. Isaorana indrindra Ianao
An-tempoly be voninahitra
Fa mendrika dera sy laza
isaorana mandrakizay

4. Isaorana indrindra Ianao
Ambony fiketraha-mpanjaka
Fa mendrika dera sy laza
isaorana mandrakizay

5. Isaorana indrindra Ianao
Mahatsinjo ny halalin’ny hantsana
Fa mendrika dera sy laza
isaorana mandrakizay

6. Isaorana indrindra Ianao
Mipetraka ambony kerôbima
Fa mendrika dera sy laza,
isaorana mandrakizay

7. Isaorana indrindra Ianao
Manerana tany aman-danitra
Fa mendrika dera sy laza
isaorana mandrakizay!

8. 'Nareo rehetra asan'ny Tompo,
derao Izy Tomponareo,
Fa mendrika dera sy laza
isaorana mandrakizay!

9. Isaorana Ianao, ô ry Ray.
mahefa sy feno fitiavana,
deraina Ianao, ry Zanaka, 
isaorana mandrakizay!

10. Isaorana koa ny Fanahy.
fa santatry ny hasambarana,
Fa mendrika dera sy laza 
isaorana mandrakizay!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0078 s.] - Hanohana anay