Zavatra iray loha (Salamo 26)

(Sal. 26)

Zavatra iray loha no angatahiko amin’Iaveh
Sady iriko fatratra: te honina ao an-tranony aho
Amin’ny andro rehetra iainako

Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy
Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy
ka zovy no hangovitako

Na tafika iray aza hitoby hiady amiko
Tsy hatahotra ny foko na rafitra aza ny ady
Na tafika iray aza no hitoby hiady amiko
tsy hatahotra ny foko

Halofan’Iaveh aho raha misy fahoriana
Iaveh hampitoetra ahy ambony vatolampy
Halofan’Iaveh aho Iaveh hampitoetra ahy
ambony vatolampy

Hisandratra ny lohako ambonin’ny fahavaloko
Ka hanolotra fisaorana an-tranon’Iaveh aho
Hisandratra ny lohako ka hanolotra fisaorana
an-tranon’Iaveh aho

Misaora an’Iaveh ianao matoky Azy
Mihirà sy mihobia, lehibe ny indrafony
Misaora an’Iaveh ianao matoky Azy,
lehibe ny indrafony.

Nampiditra ari.malala
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 67
Fihirana Hasina p. 206
Fihirana Vaovao p. 84
Vavaka sy Hira p. 266
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092