Mahatehotia, mahasondriana

Nampiditra: tywa68
Sokajy: Salamo,


  • Fihirana Vaovao p. "89
  • Fihirana Hasina p. "222
  • Vavaka sy Hira p. "311
  • Fihirana Dera p. "62

(Sal. 83)

Mahatehotia, mahasondriana 'zany tranonao, ry Iaveh

1. Onena endrey ny fanahiko
Misento lalina ny kianjanao, ry Tompo :
Mientana aminao ny foko sy ny nofoko.

2. Ny fody mahita fonenana,
Ny sidintsindina mahita izay akany :
Endrey ny ôtelinao, ilay fonenanao, ô ry Tompo.

3. Sambatra izay monina ao, 
Dia sambatra tokoa midera anao, ry Tompo
Dia sambatra izy ireo, fa heriny ianao, Andriamanitra ô.

4. Ilay lohasaha karakaina
No indro, Tompo ô, fa nisy loharano :
Ka nankahery anay, tsodrano fanambinana re !

5. Nandroso izahay ka niakatra,
Dia tody soa aman-tsara eto anatrehanao :
Mivavaka aminao, ka mandrenesa ianao, Andriamanitra ô.

6. Ry Tompo Andriamanitr'i Israely,
Henoy fa miantso anao ilay vahoakanao :
Ilay voahosotrao tazano fa miandrandra anao.

7. Aleo andro iray, Andriamanitra ô,
Aty an-tranonao, ho eto akaikinao ;
Toy izay arivo taona miaraka amin'ny olon-dratsy.

8. Ampinga sy manda ny Ray anie,
Ka reharehanay ilay nanao ny aina :
Mba sambatra tokoa izay matoky anao, Andriamanitra ô.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0204 s.] - Hanohana anay