Ry Jesoa Kristy Tomponay, ao anatin’ny Eokaristia

Nampiditra: Bariry
Sokajy: Komonio,


  • Fihirana Vaovao p. "375
  • Fihirana Dera p. "84
  • Fihirana Hasina p. "190
  • Vavaka sy Hira p. "745

1. Ry Jesoa Kristy Tomponay 
ao anatin’ny Eokaristia  
Ny feonao manasa anay 
mba ho avy hanao komonio  

Indrisy vitsy no mamaly 
ny antsom-pitiavanao  
Fa maro no miala tsiny 
mankamamy izao tontolo izao  

2. Fahiny tany Palestina 
be ny rofy nositraninao  
Midìna ka esory koa 
ny aretin’ny fanahinay  

Midìna, ry Mpamonjy Masina 
vonjeo ny halemenay  
Fa 'zahay Malagasinao
manantena sy matoky anao  

3. Ry Jesoa sasa-miandry lava 
ao anatin’ny Eglizinay  
Rahefa mandalo izahay 
mba hivily sy hamangy anao  

Kanefa indray andro any 
rahefa ho faty izahay  
Tongava hatrany aminay 
mba handray ny fara sentonay  


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay