Indray hariva izay

Nampiditra: ari.malala
Sokajy: Komonio,


  • Fihirana Vaovao p. "105
  • Fihirana Dera p. "91
  • Fihirana Hasina p. "185
  • Vavaka sy Hira p. "745
  • Vavaka sy Hira p. "509

1. Indray hariva izay ry Jesoa Tompo o
Nanolo-tena Ianao ho fitiavana anay

Fiv:
Mino aho Tompo ka te handray Anao
Ianao no Mofo velona avy any an-danitra


2. Nohamasininao ny mofo sy ny divay
Ka tonga Vatanao sy Ranao mpanadio

3. Fa velona Izy Ray, velona ao Aminy Ianao
Ka velona ao Aminao izay mandray Anao

4. Raha avy ny farandro, hasehonao Tompo o
Fa velona ao aminao izay nandray Anao

5. Masoandro lohataona ilay fitiavanao
Mamelombelona anay sy izao tontolo izao


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0064 s.] - Hanohana anay