1 - Ny foko, ry Andriamanitra
Maniry ny hihaona Aminao
Henoy ny fisentonsenton’
Ny foko te handray Anao.
Fiv: Mba lehibe ny hafaliana
Azo amin’ny komonio
Ny Tenanao, ry Jesoa Tompo
Efa ho tonga ao am-poko
2 - Ambonin’ny ôtely masina
Ianao no mitsinjo ahy
Avia, ry mpanavotra ahy
Fa mamiko ny Tenanao.
3 - Tsy mendrika handray Anao aho,
Ry Jesoa Tompon’ny foko,
Fa mitenena teny tokana
Ho sitrana ny fanahiko.
4 - Mba tiako ny hamamian’
Ny Mofon’ny Anjelinao
Fa Izy no fiainanay
Sy herinay sy tokinay.