Mba lazao anay, ry Tompo, ny misy Anao

1 - Mba lazao anay, ry Tompo, ny misy Anao,
Ambarao anay maniry hamangy anao,
Tsy mba lavitra any anie aho e , fa ao am-ponareo
Ary ao anatin’ny Eokaristia.

Dera ho anao, ry mpamonjy anay, Kristy ô,
Raiso izahay te-hiara-tsambatra aminao.

2- Inona moa, ry Tompo, no teninao,
Hohenoinay sy ho tandremanay?
Sambatra loatra anie izay mino ahy,
Izy ho velona mandrakizay.

3- Lazao anay, ry Tompo, ny baikonao,
Ambarao anay hotanterahinay.
Mifankatiava toy ny nitiavako anareo,
'Zany no hafatro sy didiko.

4- Atoroy anay, ry Tompo, ny asanao ;
Tsy havelanay hiasa irery ianao.
Mahafoy ny aina mba hamelona anareo
Ety an-tany sy an-danitra.

5- Moa ve, ry Tompo, mijaly ianao?
'Ndreto izahay maniry hanampy anao.
'Reo mahantra ampio, fa izaho anie ireo
Izay mijaly, iray amiko.

6- Ary izahay, ry Tompo, manina anao,
Te ho eo anilanao, hahita maso anao.
Izaho ko anie mba manina anareo
Hiara-tsambatra, ka matokia.
Nampiditra oliana
Sokajy Komonio
Fihirana Hasina p. 351
Fihirana Vaovao p. 509
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011