Isaoranay Anao Baba

Isaoranay Anao Baba oiaé é!
Tamy iregny haleben’ny fitiavao o! 2x
Isaoranay zegny éia!
Nagnamboatra izao tontolo izao oia é é!
Nahitagna ny tany sy ranomasigny é,
Isaoranay zegny éia!
Karazan-java-maniry sy managnaigny é oiaé é !
Ka nitso-drano koa mba hanaranaka é,
Isaoranay zegny éia !

1-Nagniraka ireo Mpaminany é ! - Isaoranay zegny éia !
Nagnambara ny didim-pitiavanao è! - Isaoranay zegny éia !
Tsy namela ho very ‘zay mino Anao é! - Isaoranay zegny éia !
Fa nandefa ny Mesia hamonjy anay è! - Isaoranay zegny éia !

Isaoranay Anao Baba oiaé é!
Tamy iregny haleben’ny fitiavao ô! 2x
Isaoranay zegny éia!
Tonga taty koa i Jesoa é oia é é!
Nagnambara ny tegna fitivanao ô!
Isaoranay zegny éia!
Nampianatra anay mba hifankatia é oia é é!
Ary nagniraka ‘zahay mba hifamela heloko,
Isaoranay zegny éia!

2-Nandefa ny Fagnahy Mpankahery é! - Isaoranay zegny éia !
Nampitombo samy hifandray ‘zahay é! - Isaoranay zegny éia !
Nagnamia koa pretra sy relijiozy é ! - Isaoranay zegny éia !
Nampianatra sy nagnabe ‘zahay è! Isaoranay zegny éia !


(Jean Marc)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079