Heniky ny fahasoavana

1. Mitsangana, hobio ny Tompo:
Sy hankalaza ilay Maherintsika.
Andeha isika hanandram-peo,
Sy hihira ho fiderana Azy koa.

Indro Jesoa efa eto amintsika e e e!
Tonga Izy hampiombona sy hampiray.
Zany hafaliana sy haravoana;
Fa nahazo tena zavatsoa.
Tena mofon’aina sy teny mahavelona,
Sakafom-panahy sy vatsy ho antsika.

Ref:
Misaotra misaotra e, ry Andriamanitra Rainay ô!
Misaotra misaotra e, ry Jesoa zokinay ô!
Misaotra misaotra e, ry Fanahy Masina ô!
Fa henlky ny Fahasoavana Izahay:
Miara-midera mifaly sy mitororebika,
Mankasitraka feno haravoana ny fonay.

2. Mitsangana, hisaotra Azy Ray:
Sy hankalaza ilay Nahary antsika.
Andeha isika hanandram-peo,
Sy hihira ho fiderana Azy koa.

Soa sesehena nomeny antsika e e e!
Izao tombonandro sy ny fitantanany.
Isanandro vaky Izy mihevitra foana:
Izay mahasoa antsika zanany.
Mendrika ho deraina sy hankalazaina Ianao,
Ry Andriamanitry ny tany aman-danitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0271