1 - Efa amiko i Jesoako
Tompo nandrasan’ny foko
Izy mitoetra ao am-poko
Izy miray tena amiko
Fiv :
Ry Jesoako, mba manjakà
Ao am-poko, mandrakizay
2 - Ilaozako ny fahotana
Sy ny fanao tsy tianao
Ozoniko ny lainga foana
Nampianarin’ny demony
3 - 'Zay tianao no tiako
'Zay halanao no halako
Ka ny fonao no fidìko
Honenako mandrakizay