Hira fanevan'ny sekoly katôlika
1-Tanora vonona hianatra izahay
Mba hanandratra avo ity tanindrazanay
Hivoatra ihany koa sy ho kinga saina
Na sendra mafy aza ,tsy mba hitaraina
Ry sekoly mamy, indreto izahay
Tantanonao ny dia, beazo mba hahay
Mba reharehan'ny fiangonanay
Ho toky sy ho andrin'ny firenenay
2-Tanora tsy mandà andraikitra tokoa
Ho mato-tsaina re sy ho feno herim-po
Hanovo fahalalana sy fahendrena hatrany
Sekoly katolika no loharanon'izany
3-Tanora izahay vonon-kifankatia
Ho mpianatr'i Kristy anio sy ho doria
Ho velona hijoro, haneho ny finoany
Ho sahy hiaro azy, nofy izay hivaona
Mba hanandratra avo ity tanindrazanay
Hivoatra ihany koa sy ho kinga saina
Na sendra mafy aza ,tsy mba hitaraina
Ry sekoly mamy, indreto izahay
Tantanonao ny dia, beazo mba hahay
Mba reharehan'ny fiangonanay
Ho toky sy ho andrin'ny firenenay
2-Tanora tsy mandà andraikitra tokoa
Ho mato-tsaina re sy ho feno herim-po
Hanovo fahalalana sy fahendrena hatrany
Sekoly katolika no loharanon'izany
3-Tanora izahay vonon-kifankatia
Ho mpianatr'i Kristy anio sy ho doria
Ho velona hijoro, haneho ny finoany
Ho sahy hiaro azy, nofy izay hivaona
Nampiditra Bob Ramananamiraka
Sokajy Samihafa