Ampy ho anao ny fahasoavako (Devise Mgr Victor SOLO)

Mankalaza ny Tompo aho, midera ny Ray e !
Noho ny haben’ny Fitiavany
Ravoravo ny foko e, ny saina amam-panahy e !
Mihoby ny voninahiny !

Nirahina mba hitondra vonjy e !
Hiahy sy hanangona ireo ondry e !
Nandefasany ny Fanahy : Fanahy mahazanaka
Hankahery sy hitarika ahy (2x)

Fa hoy ny Tompo (hoy ny Tompo ee)
‘Ndeha torio ny Fitiavako e ! (‘ndeha torio ny Fitiavako)
Fa ampy ee (ho anao) ampy e !
“Ampy ho anao ny Fahasoavako” (2x)

Ndeha torio amin’ny firenena fa :
Amin’ny halemena no iamparan’ny Heriko

Fa hoy ny Tompo (hoy ny Tompo ee)
‘Ndeha torio ny Fitiavako e ! (‘ndeha torio ny Fitiavako oo)
Fa ampy ee (ho anao) ampy e
Ampy ho anao ny Fahasoavako” (2x)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0096