Satria maha iray antsika

Satria maha-iray antsika ao amin'i Kristy e, ny Batemy. Aleloia ! Aleloia !

1) Samy Zanak'Andriamanitra avokoa isika rehetra
Noho ny finoantsika an'i Kristy Jesoa

2) Ary natao Batemy isika ao amin'i Kristy
Dia mitafy an'i Kristy isika rehetra

3) Tsy misy fanavahana ao amin'i Kristy
Tsy misy intsony hoe : Jody na jentily

4) Samy olona afaka avokoa isika rehetra
Tsy misy intsony hoe : tompo na mpanompo

5) Dia mitovy zo isika ao amin'i Kristy,
Tsy misy intsony hoe : lehilahy na vehivavy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0082