Inona ny soa azon'olona

Inona ny soa azon'olona raha mahazo zao tontolo izao izy nefa very anie very ny fanahiny

 

1- Ny fananam-bola sy ny harena tsy mitondra mankaiza

Fa mampirehareha ary koa mampiavona

Raha azonao ny laza, azonao ny dera eto ambonin'ny tany

Fa ny fanahy tsy hiditra any andanitra akory

 

2- Izay tena tia mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany

Mifankatiava f'izany no didy vaovao

Fa raha manampy ny mahantra ianao ary koa ny madinika

Dia izaho no anaovanao izany hoy Jesoa

 

3- Raha misy te hanaraka ahy aoka izy handà ny tenany

Sy hitondra ny hazo fijaliany

F'izay te hamonjy ny ainy no hahahery azy

Ary izay ahafoy azy noho ny amiko no ahazo azy

Nampiditra Scia
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0991