Inty aho Tompo ô (T. Albert)
Inty aho Tompo ô, manolotena ho Anao
Vonona hanantontosa ny hafatrao
Iraho aho Tompo ô, na dia tsy mendrik’aza
Osa sy malemy, sady feno ota
Kanefa mahatoky sady mino aho
Tsy hiverindalana vonona hatranihatrany
Ndray ino sakana ndray inona ny olana
Mangatam-pamonjena fa tsy maintsy miroso
Mahatoky Anao izaho Zagnahary fa omba zaho foana Anao
Agnambara ny tokony ataoko sy izay mendrik
Omeo aho Ray ô, Fanahy mpanorolalana
Avitako ankitigny mampiely ny hafatrao
Musique
Kanefa mahatoky sady mino aho
Tsy hiverin-dalana vonona hatranihatrany
Ndray ino sakana ndray inona ny olana
Mangatam-pamonjena fa tsy maintsy miroso
Vonona aho Kristy ka omeo hery hatrany
Mba hanaovako ilay beko napetrakao
Hitondrako ny hafatrao, manerana ny vazantany
Mandra-paha-tampitran’ny fiainako aty é
Omeo angovo aho Tompo oh ! mba tsy ho lavo an-dalana
Fa maro fakam-panahy ka sarotra toherina