Maria, kintan'ny ranomasina (T. Albert)
Kintana mpanoro lalana ny sambonay e
Manazava sy mitantana ny alehanay Marie é
Tsy ho very zotra ny sambonay e
Fa ho tody soa aman-tsara amin’izay andehananay
Tokinay ianao ry Marie reninay e
Satria ianao ilay kintana no manazava antsinanana
Mampazava ny aizim-pito ny famirapiratanao
Ity lalanay be riaka mampatahotra
Refrain :
Ianao no tokinay Marie Reny tsara
Kintana mpitaridalana anay
Vimbino re izahay Reny malala ô
O Marie ô kintan’ny ranomasina
Mitondra am-bavaka anay mpivahiny
Mbola andalana mandeha antafiagna
Vimbino re izahay Reny malala ô
O Marie ô kintan’ny ranomasina
Ity lalanay ambonin’ny ranomasina e
Feno zavona sady mahiziky tarihonao
Misy rivo-mahery sady ny rano mihetsiky
Miasa loha izahay zanakao mitady ho kivy
Maro mpanjono sy mpandeha an-dranomasina e
Rano lalina sy mahery no alehandreo
Ampio sy arovy izy ireo ry Marie reninay
Mba hamokatra hatrany ny asan’izy ireo
Mpivahiny izahay Marie ô
Miandrandra anao hitarika anay
Amin’izay rehetra ataonay aty an-tany
Manazava sy mitantana ny alehanay Marie é
Tsy ho very zotra ny sambonay e
Fa ho tody soa aman-tsara amin’izay andehananay
Tokinay ianao ry Marie reninay e
Satria ianao ilay kintana no manazava antsinanana
Mampazava ny aizim-pito ny famirapiratanao
Ity lalanay be riaka mampatahotra
Refrain :
Ianao no tokinay Marie Reny tsara
Kintana mpitaridalana anay
Vimbino re izahay Reny malala ô
O Marie ô kintan’ny ranomasina
Mitondra am-bavaka anay mpivahiny
Mbola andalana mandeha antafiagna
Vimbino re izahay Reny malala ô
O Marie ô kintan’ny ranomasina
Ity lalanay ambonin’ny ranomasina e
Feno zavona sady mahiziky tarihonao
Misy rivo-mahery sady ny rano mihetsiky
Miasa loha izahay zanakao mitady ho kivy
Maro mpanjono sy mpandeha an-dranomasina e
Rano lalina sy mahery no alehandreo
Ampio sy arovy izy ireo ry Marie reninay
Mba hamokatra hatrany ny asan’izy ireo
Mpivahiny izahay Marie ô
Miandrandra anao hitarika anay
Amin’izay rehetra ataonay aty an-tany
Nampiditra Didila
Sokajy Masina Maria