Iantrao fa mpanomponao (T. Albert)

Mahatsiaro tegna, magnatogno Anao, izahay Tompo ô

Amin’ny fahotagna izay vitanay taminao

Mandohaliky é ! Mitanondriky é

Mangataka famindram-po

Noho ny haben’ny fitiavanao (2fois)

 

Tompo ô mifona izahay e

Fa manegniny tegna manegniny, amindrao fo ô

Aza arianao zahay e, fa mpanomponao

Tompo ô, mamindrà fo aminay e (2 fois)

 

Tsy nasianay hasigny, ny rà izay nalatsakao, kristy ô

Fa variagna amin’ny harena sy voninahitra

Adinonay ny didim-pitiavagnanao oo

Iantrao izahay mpanomponao, Jesô

Iantrao fa mpanomponao

 

Kristy ô mifona izahay e

Fa manegniny tegna manegniny, amindrao fo ô

Aza arianao zahay e, fa mpanomponao

Kristy ô, mamindrà fo aminay e (2 fois)

 

Fikasanay Tompo ô, tsy hamerina intsony

Amin’izay ratsy vitanay, hatrizay

Magnantegna famelagna

Vôly tsy hagnampody eky e (2 fois)

Nampiditra Didila
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0266