Arovinao Zanahary

Arovinao Zanahary ity Tanindrazanay
Tahionao Zanahary ity tany maminay
Amin'ny Loza, amin'ny ankaso
Amin'ny rofy, amin'ny ratsy
Amin'ny haizina anjakan'ny fahavalo
Ka mitalaho...

Mangata-pitahiana Aminao
Ireto Vahoakanao mitalaho
Miangavy an-tanan-droa mba vonjeo
Ireto zanakao mitoreo

Ry Mpamonjy, 
Avoty amin'ny sandrinao mahery
Mba arovy
Tahionao mba tsy ho very
Ity Tanindrazanay, ity taninay

Henonao ve izany antsom-pijaliana
Henoy ny feo mitaraina
Ka mitanisa fahoriana
Miantso Anao ry Mpamonjy be fitia
Ka mitalaho...


Arovinao Zanahary ity Tanindrazanay
Tahionao Zanahary ity tany maminay
Topazo maso ny fahantrana, ka alaviro ny fahoriana
Fa mety hamono herim-po sy herin-tsaina
Ka mitalaho...


Fa mety hirehitra anie ny fankahalana
Mety hisendaotra anie ny fo
Ka tsy mikendry izay soa
Ampio zahay tsy ho resin'ny manjo
Ka mitalaho...

Nampiditra Jean_Luck_R
Sokajy Samihafa - Tononkira
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104