Tonga hitsaoka an'i Jesoa zahay (JMJ Mada I Mahajanga 1998)

Miahy sady manankery
Maninteraka ny fiainako
Ilay Kintana andrandraina
Mitsilo ny ati-fo
Manjohy ny famindra 
Manavatsavata haizim-pito

Ho hitafianay izao
ny tara-pahazavany
Ho entinay mitsaoka
an'i Jesoa Mpanjakanay

Koa ario izay mety ho sampy
Fa i Jesoa dia ampy
Fa tonga hitsaoka Azy izahay (e)
Savao ny lalana
Fa tonga hitsaoka an'i Jesoa zahay

Koa indro Ilay Mpahary
Miandry antsika fona
Tsy mba sasatra na vizana
Manampatra ny tanany 
Te hambomba antsika

Koa ny fahafahantsika
Ilay Volamenantsika
No ndeha atolotra Azy
Ho solom-panomezana

Ka moa isika izao 
Tsy mba mangetaheta
Ilay tsy manam-petra
Ilay hany hasambarana sy loharanon'aina

Koa itafio ny marina dia mijoroa
Ho vavolombelon'i Jesoa
Ilay Kintana ho antsika

Nampiditra Jean_Luck_R
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095