Tsapako fa tia ahy Ianao Jesoa

Tsapako fa tia ahy Ianao Jesoa
Sy namindranao fo
Koa inty mijoro eto izao
Mamaly ny antsonao
Tsapako fa tia ahy Ianao Jesoa
Sy namindranao fo
Koa inty mijoro eto izao
Fa miantso ahy Ianao

Avia ka zahao, mitoera amin'ny Fitiavako
Avia ka zahao, mirosoa ka matokia

1. Jesoa ô, Faly aho
Fa Ianao no nifidy ahy
Ka manentana ahy isan'andro
Hanambara ilay fitia
Jesoa ô, Faly aho
Fa Ianao no nifidy ahy
Hitory Anao n'aiza n'aiza
Amin'ireo tsy mahalala Anao satria...

2. Jesoa ô, Ireo harena
Maro mora lò
Marefo ny eto an-tany
Afoiko noho Ianao
Jesoa ô, Faly aho 
Fa manana Anao,
Ianao ihany no tena soa
Fianako mandrakizay satria...

3. Jesoa ô, ny tanjoko anio
Dia ny ho tia Anao mandrakizay
Matoky aho, sambatra aho
Fa manana Anao
Jesoa ô, ny tanjoko anio
Dia ny ho tia Anao mandrakizay
Inty aho manolo-tena
Ho Anao mandrakizay satria...

Nampiditra Jean_Luck_R
Sokajy Samihafa - Tononkira
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2087