Fihavanana (Kongresy Eokaristika Nasionaly)

1-Ry Jesoa Zokinay, Lahy tokan'ny Ray
Izay nidina avy any an-danitra
Topazo maso ireto vahoakanao
Tsy tapaka midera, miantso ny Anaranao
Efa sitrakao ho iray aina Aminao
Mankalaza sy mitsaoka Anao
Mba ho tena mpiray tampo tokoa izahay
Satria samy zanak'Andriamanitra Ray.

FIVERENANA
Tsara ny mihavana ary mampihavana
Fa ny fihavanana no manasitrana an'izao tontolo izao
Ny Eokaristia mampivondrona atsika jiaby ity
Mba ho tena mpiray tampo ao amin'i Kristy (indroa)

2- lanao no miantso anay mba hivondrona ho iray
Eo amin'ny Otelinao Masina
Anoloranay ho anay ny Tenanao
Dia ny sakafo mahavelona mandrakizay,
Mba handresenay ny fisaraham-bàzana sy ny fifankahalana
Mba ho tena mpiray tampo tokoa izahay
Satria samy zanak'Andriamanitra Ray.

Eia e mahavelognô, mampiombogno atsika ny Eokaristia... Fototro ny fihavanagna
Eia e mahavelognô, mampiombogno atsika ny Eokaristia... Fototro ny fihavanagna 
-Iraha mijotso aminay aty ny Fagnahinao feno fitiavana
 Mba ho tegna mpiray tampo Fototro ny fihavanagna

-E zegny ankitigny ny Fagnahy, mampitambatra antsika ho Olo Araiky
 Salakady magnampy hifamela heloko...... Fototro ny fihavanagna

Eia mahavelogno ô, magneky tarihin'ny Fagnahy........ Fototro ny fihavanagna
Ela mahavelogno ô, magneky tarihin'ny Fagnahy....... Fototro ny fihavanagna 
  E mahay miombogno na dia samihafa....... Fototro ny fihavanagna
  Finoagna araiky tokagna iainantsíka e
  Mba ho sitragna ny ratran'izao tontolo... Fototro ny fihavanagna
Eia e mahavelognô, mampiombogno atsika ny Eokaristia... Fototro ny fihavanagna

KEN: Kongresy Eokaristika Nasionaly

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228