Taona maro lasa nifandimby izay (Hira Faneva Don Bosco)

1. Taona maro lasa nifandimby izay
Ankehitriny ho tsaroana eto izao
Ny hasoavan'ny fanabeazanao
sy ny anatra maro nentinao

Refrain
Ianao ry zokinay Don Bosco
No mpanabe fitaratray
Ka ny taona maro mbola ho diavinay 
Ho entinay manohy ny asanao

2. Ny hadalana ditra sy kilemanay
'Zay fahavalon'ny hatanoranay
Tsy nahoanao, tsy namoizanao anay
Fa fitiavana no nasetrinao

3. Mpianatrao indray no nanabe anay 
Ho olo-mendrika sy ho olom-banona
Tanora matotra hijoro ho fahazavana 
Ka hanilo indray ny firenenay

4. Ray ao ambony hisaoranay Anao indray 
Ny nanomezanao an'i Don Bosco
Ho Ray mpiaro anay sy Mpampianatra
Hahatonga anay ho olomasina

Nampiditra Jean_Luck_R
Sokajy Samihafa - Tononkira
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751