Hafatra Masina (Injay misy antso manakoako)

1. Injay misy antso manakoako
   Mamakivaky ny Tany efitra roy ô !
   Fa rahona mainty sy mitatao
   No manarona antsika izao
   Mila vonjy malakilaky ny Tanintsika e !
   Fa saron’ny aizin’ny Fahantrana ny Fiainantsika e !
   Ka raiso ny fihavaozana hatramin’izao a !

Ref:

Ou ou ou ! E e e roy e !
Oh oh oh ! Lahy e e !
Eh eh ! Lahy e !
Ny fitiavan-tena e e e !
Ny fitiavam-bola ôô !
Fitiavam-boninahitra a a a !
Fahafinaretan’ny nofo ôôô !

E eny re !
Afao ‘zahay ry Ray ô !
Afao ‘zahay Mpanota e !
Afao ‘zahay ry Ray ô !
Afao ‘zahay Mahantra e !

2. Lazao ny Fiangonana manontolo
   Hatramin'ny Mpisorona sy Filoha re Roy ô!
   Fa rahona mainty sy mitatao
   No manarona antsika izao
   Ka torio fandinihan-tena ny Eglizy
   Fa ny Fibebahan'ny Fiangonana ankehitriny e,
   No hahafoana ireo mpisitaka mino izao
   Fa ny Fibebahan'ny Fiangonana ankehitriny e,
   No hampiova ireo tsy mpinoo ho olom-bao a!

Ref:

Ou ou ou ! E e e roy e !
Oh oh oh ! Lahy e e !
Eh eh ! Lahy e !
Ny fitiavan-tena e e e !
Ny fitiavam-bola o o !
Fitiavam-boninahitra a a a !
Fahafinaretan’ny nofo o o o !

E eny re !
Afao ‘zahay ry Ray ô !
Afao ‘zahay Mpanota e !
Afao ‘zahay ry Ray ô !
Afao ‘zahay Mahantra e !

3. Dradrao any an-tampon'ny Fitondrana
   Ny soa sy ny hasin'ny Fahamarinana roy ô!
   Fa aro sy mandan'ny Firenena:
   Ny Fanahy sy Fahendrena
   Ka handinika ny Finoany ny Fitondrana
   Hinoako tsy hisy ny Fitondrana haharitra ela
   Raha tsy miova fo ny manam-pahefana
   Saron'ny haizin'ny Fahoriana ny Firenena
   Raha hanjakan'ny afera sy filibana

Ref:

Ou ou ou ! E e e roy e !
Oh oh oh ! Lahy e e !
Eh eh ! Lahy e !

Ny loza aman-drahona ambadika iny
Mitady handrava ny Taninay e! ....Afao ‘zahay ry Ray ô !
Ny tanin'ny Razana ota fady 
Ny ràn'ny olomarina mba mijoro ô!....Afao ‘zahay ety e e !
Ny Fitondrana asiana vono, tanàna,
adim-poko sy fihaviana e!....Afao ‘zahay ry Ray ô !
Ny Fiangonana mba hijoro
Ho ary sy kiadin'ireo vahoaka e!....Afao ‘zahay ety e e !

Afao ‘zahay ry Ray ô !...Eny Ray ô!
Afao ‘zahay ety e e !...Eny re!
Afao ‘zahay ry Ray ô !
Afao ‘zahay Mahantra e !

Nampiditra Jean_Luck_R
Sokajy Samihafa - Tononkira
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0428