Ireo adalana

Ireo adalana sy fahotana
Izay ninianay natao e
Tsy mba nanaraka ny Teninao
F'izay tinay no natao

 

Tompo ô, mamindrà fo aminay e
Tompo ô, mamindrà fo aminay

 

Fiavonavonana sy fialonana
Izay mameno ny fonay
Fitiavan-tena, hafetsifetsena
Ifonanay aminao

 

Kristy ô, mamindrà fo aminay e
Kristy ô, mamindrà fo aminay

 

Amindrao fo re fa diso izahay
Koa avelao ny helokay e
Tena mifona e, mivalo koa
Mamelà ny otanay

 

Tompo ô, mamindrà fo aminay e
Tompo ô, mamindrà fo aminay

Nampiditra Scia
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0391