Mofonaina

1.   Mofonaina hery miafina Jesoa
Ao am-pon'ny mahalala Kristy
Lanonam-be ankalazaina
Amin'ny fo mangalahala.

 

2.   Mofonaina  toy ny mana  Jesoa
Tany an'efitra fahiny Kristy;
Teny Soa tonga Nofo
Mofonaina  ankehitriny.

 

3. Mofonaina ho an'ny havana Jesoa
Hiresadresaka hamangy Kristy;
Zary Saotra mampihavana
Ka mirakitra voahangy.

 

4. Mofonaina avy any ankoatra Jesoa
Nefa vitsy mpahalala Kristy ;
Tsangambato kanto loatra
An-tanindrazana malala. 

 

5. Mofonaina  llay Mesia  Jesoa
Miantsoantso  mpanarato Kristy;
Fanafahana satria
Hainy ovana ny fo vato.

  

6.Mofonaina  tasinanana Jesoa 
Tonga hanavao ny  tany Kristy; 
Fanekem-pihavanana 
Hampiray ny vazantany.

  

7.Mofonaina fiantsoana Jesoa 
Ny Fanahy Zanahary Kristy; 
Fakana tahaka ny Ray
Ho amin'ny fiainan-davorary.

 

8.Mofonaina  sarobidy Jesoa 
Fanatrehana  doria  Kristy; 
Mofonaina tsy mangidy 
Soa ka mahatehotia.

 

9.Mofonaina  Paka Soa Jesoa 
Fiombonana tanteraka  Kristy; 
Fiainana tsy manam-paharoa 
Tiana ka tsy mahareraka.

 

10. Mofonaina mahasambatra Jesoa
Ilay Iraky ny Ray Kristy;
Vatsin-dalana mitambatra
Mofonaina  mandrakizay. Amen - Amen.

 

Père  Paul  Louis  Rafanomezantsoa  S.J  sy  P.  Rakotosoa  Julien S.J

Nampiditra Guliano
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096