O ry Mofo novakiana

1. O ry Mofo novakiana

Natao hampiombona,

Mba hahatonga hafaliana                          in-2                

Hanala ny manjombona

 

 

Indro averimberinay

Anio mandrakizay,

Fanekena vaovao,            in-2

Famonjena avy Aminao

 

 

2. O ry Mofo nozaraina

Mitondra famonjena;          in-2

Mba todiho 'reo mitaraina

Fa lanao no fandresena.

 

 

3. O ry Mofo novakiana

'Zay manavao ny tany;

Herinao no itokiana                       in-2

Ka tahio hatrany hatrany.

 

 

4.    O ry Mofo nozaraina

Hamelombelona,                in-2

Ireo tany karakaina

Omeo rano velona.

 

Nampiditra Guliano
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224