Fa hiroso hatrany

1.    Fa hiroso hatrany ka tsy hihemotra

Hanamafy ny toky izay natao

Ireo ezaka sy dingana vitako

dia noho lanao Jesoa

Manaiky'zahay fa taninketsanao,

Ka vonona ho Anao

Hatramin'izay ka hatramin'izao

Dia isaoranay Anao

Noho ny fitsimbinanao

Nijoro hatrany ty fikambananay.

 

Fiv :

FET ! 'Zay ilay tanora tia vavaka

FET !  Mazoto mandray ny Eokaristia

FET !  Manabe ho olom-banona aaa

FET !  Zoky sy zandry tia fiombonana

 

 

2.    Mivavaka sy mandray anao Jesoa,

Mahafoy tena ho Apostoly

Ny teninao no hivelomanay,

Zarainay amin'ireo namanay

Ny fiainanao no fiainanay,

Ka hiray aina ao aminao

Hatramin'izay ka hatramin'izao

Dia isaoranay Anao

Noho ny fitsimbinanao

Nijoro hatrany 'ty fikambananay.

 

 

3.    Ivon'ny fiainanay AFAFI-FET dia ny Eokaristia

Tanjom-panabeazana iombonana,

lanao Jesoa no mofom-piainanay

'Reo olomasina mpiaro anay, fitaratra ho anay

Hatramin'izay ka hatramin'izao

Dia isaoranay Anao

Noho ny fitsimbinanao

Nijoro hatrany 'ty fikambananay.

 

Nampiditra Guliano
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096