Ry olomasina tsaroana

1.Ry olomasina tsaroana,
  Vavolombelon'ny Finoana,
  Na dia natahotra ho faty:
  Hita ho nisotro aleoko maty,
  Ka tsy niahotra na kely,
  Tsy nitaraina velively;
  Loza raha matimaty foana,
  (F'ianao) maty nijoro tam-pinoana.
 
Ry Jacques Berthieu,
Vavolombelona:
Ny fiainanao naneho
Finoana velona.
Ampio izahay
Mba hino ihany koa,
Hijoro ka ho iray,
Fa mpianatr'i Jesoa.
 
2.'Lay misionera higagana
  Tsotra nitempo fo mafana
  Maika hamonjy ny marary
  Ontsa an'ireo natao fanary
  Nitety toeran-tsesehena
  Nanentana ny fambolena
  Fa hamonjy ny olo-manontolo
  (Ny tanjony) mba ho any daholo

Ry Jacques Berthieu,
Tia fihavanana:
Ny fiainanao naneho
Fitiava-namana
Ny ohatra entinao
dia lalan-tsoa tokoa
Ho anay havanao
Mba ho voavonjy koa


3.Narovanao ireo vehivavy,
  Tamin'ny Menalamba be fiavy;
  Ianao niseho ho saro-piaro
  No naharomotra ny maro,
  Ka noratraina ianao,
  Nanaovana ny tsy fanao.
  Loza ny asan'i Satana,
  (F'ianao) masina tsy isalasalana.
 
Ry Ray be fitia:
Andriamanitray,
Ry Zanak'i Maria:
Jesoa Zokinay,
Misaotra Anao tokoa,
Fa ny Fanahinao
No niaro mba ho soa
Ity mpanomponao

            Aleloia, aleloia!
            Aleloia, aleloia!
            Aleloia, aleloia!
            Aleloia, aleloia!

Nampiditra Jean_Luck_R
Fihirana Hasina p. 793
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0503