Tompo ô, hamafiso ny Finoako

1-Tompo ô, hamafiso ny finoako (2)

Tompo ô, ahitsiho ny fisainako (2)

Tompo ô, mahagaga ny fitiavanao

‘Zay nameno ny fiainako tontolo

Ka hanosika ahy hanolo-tena ho Anao.

 

Fiv  :   Ho Anao e ny fianako o, homeko Anao e ny fitiavako

           Ho foiko ho Anao e, ireo havako sy sakaizako

           Satria ny asanao no anokanako ny fianako

           Ny fiainanao e no mba tarigetram-piainako

           Ho tianao e no mba tanjona tratrariko.

 

2-Tompo ô, mba havaozy ny foko (2)

Tompo ô, hamasino ny fihevitro (2)

Tompo ô, mba hahita ilay endrikao

Amin'ny olona rehetra tsy an-kanavaka

Ka itiavako azy ireo toa Anao.

 

3-Tompo ô, fantatrao ny faniriako (2)

Tompo ô, mba herezo ny fanahiko (2)

Tompo ô, fa osa sy malemy ny nofoko

Ka ombao ny fahasoavanao

Tsy hivadika amin'ny toky nomeko

 

 

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2676