Inona re no havaliko Anao

1-    Inona re no havaliko Anao

O ry Tompo be fitiavana

Tamin'ny soa izay nafafinao

Tamin'ny ran'ny Zanakao.

Tsy hitsahatra hidera Anao aho

O ry Tompo Andriamanitra

Fanirahinao ny Zanakao

Hampihavana anay indray Aminao.

Fiv :  Misaotra (x2) mankasitraka sy midera Anao

 

2- Fitiavan-dehibe tokoa

No nataonao taminay

Fa ny ran'ny Zanakao

No nomenao hamonjena anay

Voninahitra ho Anao ry Ray

Ho an'ny Zanaka Mpanavotra

Ary ny Fanahy Mpanamasina

Manentana antsika hihoby ny Anarany

Fiv :  Misaotra (x2) mankasitraka sy midera Anao

 

3-Inona re no havaliko Anao

O ry Tompo be fitiavana

Noho ny soa izay nafafinao

Ho an'ireto zanakao

Voninahitra ho Anao ry Ray

Ho an'ny Zanaka Mpanavotra

Ary ny Fanahy Mpanamasina

Manentana antsika hihoby ny Anarany

Fiv :  Misaotra (x2) mankasitraka sy midera Anao

Nampiditra Guliano
Sokajy Fisaorana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0618