Injay ilay feo

Injay ilay feo,soa milanto
Fa miantso ny kamboty
Mikarantsana  sy kanto
Sady toa miangotigoty

Injay ilay hira, ny Nahary
Feon'ny Tompo miharihary
Feo mitory ny fitia
Mampikatraka ireo nania

Aiza ianao ry nania sy nandao ?
Miverena sy modia
Mahereza, matokia 

Aiza ianao ry nania sy nandao ?
Handray anao Aho ka avia
Hoy i Jesoa be fitia (X2)


Injay ilay feo,soa milanto
Fa miantso ny kamboty
Mikarantsana  sy kanto
Sady toa miangotigoty

Injay ilay feo fa manako
Sy mibitsika ato anaty
Feo mitory fitiavana
An'ireo nilaozan-kavana

Aiza ianao ry nania sy nandao ?
Miverena sy modia
Mahereza, matokia 

Aiza ianao ry nania sy nandao ?
Handray anao Aho ka avia
Hoy i Jesoa be fitia (X2)

Nampiditra Jean_Luck_R
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1212