Tsy nahay namaly ny fitiavanao izahay ry Ray

1-Tsy nahay namaly ny fitiavanao izahay ry Ray, 
fa nosoloinay fitiavan-tena ny didinao.

Kyrie eleison (bis)
Tompo ô mamindra fo aminay.

2-Tsy nijoro ho zandrinao lalandava izahay ry Jesoa,
fa menatr’ireo mpitazana anay isan’andro.

Christe eleison (bis)
Kristy ô mamindra fo aminay.

3- Tsy nahay nihaino ny bitsikao izahay ry Fanahy
fa babon’ireo fanangolen’ilay ratsy.

Kyrie eleison (bis)
Tompo ô mamindra fo aminay. 

 

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119